
Ilay Podcast
Ity podcast ity dia sehatra iraisana ifanakalozana hevitra sy traikefa momba ny fiainana andavanandro. Ny mpamorona azy dia mino fa ny zava-bitany sy ny fahombiazany dia vokatry ny fihaonana sy ny fifandraisana samihafa. Manasa ny mihaino rehetra izy ireo, na inona na inona fiaviana, fivavahana, na sarangam-piarahamonina, hianatra sy hifanampy amin'ny alalan'ity podcast ity. Ny tanjona dia ny hampitombo ny harena ara-tsaina sy ara-panahy amin'ny alalan'ny fifanakalozana sy ny fisaintsainana iombonana.
Épisodes

S3E16-Ny ray aman-dreny sy zanaka
👨👩👧👧 Ny ray aman-dreny sy zanaka : fitiavana, fitaratra, fenitra, fanabeazana ...☀️ Maro ny teny tonga ao an-tsaina rehefa miresaka izany lohahevitra izany isika.🎧 Manasa anao hihaino !

S3E15-Limite
🚧 Limite-Fetra🚫 Hatreto ...Izay lohahevitra izay no horesahantsika amin'ity épisode ity.Mihainoa finaritra !

S3E14-Ny Famelan-keloka
😤 Mamela heloka? Sarotra sa mora? Maso solon'ny maso, nify solon'ny nify?🙌🏽 Ny heloka ibaboana hono anefa mody rariny🪴 Izany lohahevitra izany indray no ho resahantsika androany. Mamela ny heloky ny nanao ratsy, mangataka famelan-keloka raha nanao ny tsy mety.Mihainoa finaritra !

S3E13-Atero ka alao
📢 Fomba malagasy izay "tsy hita izay maharatsy azy" ny atero ka alao. Hiresaka momba izany indrindra amin'ny fiainana an-davanandrontsika isika.📝 Ny valim-bambena ihany koa anie ka "atero ka alao" e! 💱 Fifampiraharahana sa fitiavana ? Izany no horesahantsika indray androany. Mihainoa finaritra! Aparitaho raha sitrakao !

S3E12-Cliché
Finoana iombonana miraiki-tapisaka.Izay ve no azo ilazana ny "cliché" amin'ny teny malagasy. Izany indray no lohahevitra ho resahantsika ato anatin'ity épisode ity iarahantsika amin'i Karine izay vahinintsika. Mihainoa finaritra ! Aparitaho raha sitrakao.

S3E11-Fialonana
🔓 Ny fialonana indray no lohahevitra horesahantsika indray.🔥 Moramora jalousie ...

S3E10 - Ny mahamalagasy - Tapany 2 - Rediffusion
🇲🇬 Rediffusion : S1E10 Ny mahamalagasy. Tapany faha 2🇲🇬 Amin'izao alahamady izao dia indro averina amintsika eto ny épisode iray niresahantsika ny mahamalagasy.Mihainoa finaritra !

S3E09 - Ny mahamalagasy - Tapany 1 - Rediffusion
🇲🇬 Amin'izao alamahady izao dia indro averina amintsika eto ny resatsika mikasika ny mahamalagasy.🇲🇬 Mihainoa finaritra !

S3E08-Équilibre
SEE08-Équilibre⚖️ Marina, miralenta, mifandanja ...✨ Izany teny izany no afaka ilazana ny équilibre amin'ny teny malagasy.🎧 Izay lohahevitra izay indray no horesahantsika androany.Mihainoa finaritra ary ô !

S3E07 - Fahatokisan-tena
Hery manosika antsika hanao zavatra ny fahatokisan-tena ary ilaina tokoa amin'ny fiovoarana sy ny fiovana . Izay lohahevitra izay indray no ho resahantsika androany. Mihainoa finaritra ...

S3E06-Fianarana ny fiainana
📚 Mianatra miaraka, miaraka mianatra. 📝Ny teny filamitry ny fandaharantsika no ho resahantsika amin'ity épisode ity. Fianarana tokoa mantsy ny fiainana ary raha miaraka isika dia hahomby kokoa. 🎓 Mihaino finaritra ...

S03E05 - Rentable ve ny fanaovana podcast ? 😁
Izany fanontaniana izany indray no hovaliantsika ao anatin'ity épisode ity ! Ny valiny aloha dia teneninay ety am-piantombohana hoe ENY, rentable ny fanaovana podcast.
Manasa antsika hihaona sy hihaino hatramin'ny farany ...

S03E03 - Fanantenana
🙌🏽 "L'espoir fait vivre" - "Mamelona ny fanantenana".
Izany lohahevitra izany indray no horesahantsika androany. Toa misy manatsatso mantsy fa hoe ho an'ny "imbécile" 😬 ihany izany teny izany; mamelona ireo "vendrana "ihany fotsiny marina ve ny fanantenana? Aminay dia mamelona 😃 ny fanantenana satria mitondra hery ✊🏽 sy toky ho amin'ny ho avy fa ho tsara ary hotanteraka ireo faniriana. 🏆
Efa nire

S03E04 - Perversion narcissique
🔥 Nisy trangam-piarahamonina hitantsika teto amin'ny
tambajotran-tserasera nalaza herinandro vitsivitsy izay nahakasika ilay
raim-pianakaviana naneho herisetra tamin'ny zanany vavy.
👉 Ny lohahevitra horesahantsika androany dia hamelabelatra amintsika ny
perversion narcissique izay mety ho antony nahatonga izany.
🎙️ Fandinihana ihany ny anay eto amin'ny pejy ary fampahafantarana ihany
koa ho an

S03E02 - Fiovana
Rehefa voalohan'ny taona tahaka izao dia miandrandra fiovana daholo isika. Maniry fiovana, mangetaheta fiovana.
Ny fiovana anefa dia miainga amintsika aloha mba hampisy fanovana :
Fiovan'ny toetsaina,
Fiovan'ny toepo (sentiments),
Fiovan'ny vatana - sns
"Le changement est la seule constante"
Tsy afa-bela amin'ny fiovana isika, fa ny anjarantsika dia ny manova ireo voalaza eo ambony ireo, m

S03E01 - Fiatoana
S3E01 - Fiatoana Izay indray no lohahevitra voalohany horesahantsika amin'ity taona vaovao ity. Fiatoana ilaina hakana bahana indray ...

S2E08 - Ny fifandraisana
📢 Mahay mifandray, mahay mianatra, mahay mandamina ...
Fifandraisana ho amin'ny filaminana sy fandriam-pahalemana ... 💬 🗯️

S2E07 - Ny psychologie sy ny fiarahamonina malagasy.
Ny psychologie sy ny fiarahamonina malagasy.Azo ampiarahana sa tsy mifanaraka? 🤔Fisehony iray no hozarain'i Baliaka amintsika androany.
Ialana tsiny ny feo tsy tomombana tsara noho ny lafiny teknika.

S2E6 - Ny ambo ...
ratsy sa tsara? Ndao hanana ambo tsara ...

S2E5 - Ndao hiady amin'ny fahantrana ... 🛡️✊🏽
Tsia !!!! Tsy voaozona hahantra i Madagasikara sy ny Malagasy ... 🏆

S2E4 - Ny tontolo iainana 🌴🌍
Ny tontolo iainana, antoky ny aina ... 🌳

S2E3 - Ny lalam-piainana
Mampianatra ny natiora sy ny zava-boahary ...

S2E2 - Ny Tahotra 🫣
Ny tahotra no lohahevitra horesahantsika androany. Angovo sa Sakana ? 🫣😱😰

S2E1 - Ny tanjona ho amin'ny taona vaovao ... 🎯🏆
🎆🎇🎆🎇 Miarahaba antsika rehetra tratry ny taona vaovao! Samy manana ny tanjona isika tiana ho tratrarina rehefa vaovao ny taona, dia ny manodidina izay indrindra no resadresatsika androany.

Episode 20 - Ny finoana
👉 Ny finoana indray no lohahevitra ho resahantsika androany. Izay manam-pinoana hono mantsy ... mandresy ny hiafarany 🏆

Episode 19 - Fanavaozana
Vahinintsika androany i Santatra sy i Alain hizara ny momban'ny fampivoarana ny fiainana.
Mandroso hatrany ho amin'ny fanatsarana ny fiainana mankany amin'ny tanjona. Avy aiza, aiza ka ho aiza ? 💡

Episode 18 - Ny teny
Ny teny sy ny heriny : hanangana sa handrava ? Antsika ny safidy ... 📢

Episode 17 - Ny vola eo anivon'ny fiaraha-monina.
"Ny omby mahia hono tsy lelafin'ny namany", ny herin'ny vola eo anivon'ny fiaraha-monina indray no ifampizarana amintsika anio. 💰💰💰

Episode 16 - Ireo fitsipika 12 ho an'ny Fiainana ... 🎯
Ity boky nosoratan'i Jordan Peterson ity izay mitondra ny lohateny hoe "12 règles pour une vie" no ifampizarana amintsika eto indray !

Episode 15 - Raha noana ny kibo, mivezivezy ny fanahy ...
Hiresaka momba ity ohabolana ity isika androany ho fampafantarana ny vokany sy ny fanamby handresentsika ny hanoanana ... ✊🏽

Episode 14 - Ny vola hono no hozatry ny fiainana ... 💵💵💵
Androany hiresaka ny vola sy ny tokantrano isika.

Episode 13 - Tambajotran-tserasera - Réseaux Sociaux
Efa tafiditra tanteraka amin'ny andavanandrom-piainantsika ny tambajotran-tserasera ka izay indray no lohahevitra ho resahantsika androany. Ny vokatsoa sy ny fetrany ...

Episode 12 - Matokisa valera!
Manan-danja, manan-kasina, sarobidy ianao. Izay indray no lohahevitra horesahantsika ato amin'ity episode ity.

Episode 11 - Fizarana traikefa : Ny fitaizana ivelan'i Madagasikara
Vahinintsika androany i Claudia hizara ny traikefany amin'ny fitaizana aty Frantsa.

Ny mahamalagasy : harena sa vesatra ? Tapany 2
Tapany 2: Inona no atao hoe mahamalagasy ary tombotsoa ve ny fitrandrahana azy? Vahinintsika androany indray i Fangio hanohy ny famelabelarana izany.

Ny mahamalagasy : harena sa vesatra ? Tapany 1
Tapany 1 : Inona no atao hoe mahamalagasy ary tombotsoa ve ny fitrandrahana azy? Vahinintsika androany i Fangio hamelabelatra izany.

Fifandraisana
Ampahafantaro ahy ny namanao dia holazaiko anao hoe iza ianao.

Fifehezan-tena
Ny fifehezantena (discipline) sy ny fizakantena (autonomie) : antoky ny fahombiazana.

Identité - Iza moa izaho ?
Iza moa izaho? Izay indray no lohahevitra hodinihantsika androany. Fahafantarana ny tena hahafahana mamantatra ny ho aleha ...

Ilay - Tantaram-piainana
Fizarana ny niatombohanay, nahatongavana amin'ity podcast ity.
Fizarana expériences.

Fanabeazana
"Ny fanabeazana no fitaovam-piadiana mahery vaika indrindra azonao ampiasaina hanovana izao tontolo izao" - Nelson Mandela

Ny lasa
Episode 3 - NY LASA
« Ravinkazo nanitsana, ka ny sisa no hampanirina »
Ny Lasa : tsy misy afaka ovaina, natao hitarika fiovana!

Fahasamihafana - Izaho sy Ianao
Episode 2 - FAHASAMIHAFANA - IZAHO SY IANAO
Samy manana ny tantaram-piainana, ny lalana nolalovany ny tsirairay ka ny nety taminao tsy voatery hiety amiko, ny marina amiko tsy voatery ho marina aminao. Ny fijerinao mazana tsy fijeriko, tsy voatery hampisy elanelana antsika anefa izany…

Fampafantarana
Manasa anao izahay amin'ity épisode ity hihaino hatramin'ny farany ho fampafahantarana voalohany ny mpanolotra sy ny fandaharana.











