Accueil Podcasts Soa i Madagasikara
Soa i Madagasikara

Soa i Madagasikara

Soa i Madagasikara 92 Épisodes sept. 10, 2026

Podcasts sur Madagascar proposés par la webradio 100% musiques, cultures et sociétés malgaches. La voix de Madagascar, fière de ses traditions et en harmonie avec la modernité. Fampielezam-peo an-tserasera malagasy, zato isan-jato mozika, kolontsaina ary sosialy. Ny feon'i Madagasikara, mirehareha amin'ny lovan-drazana ary mifanaraka amin'ny zava-maoderina.

Épisodes

Safa - Mihoatra ny zo hifidy : inona ny vina ho an’i Madagasikara ? - Josephin Andriantafika 4/4
Safa - Mihoatra ny zo hifidy : inona ny vina ho an’i Madagasikara ? - Josephin Andriantafika 4/4 sept. 10, 2026 10:37 Amin’ity fizarana fahefatra sady farany amin’ny andiany SAFA natokana ho an’ny CODIAM ity, i Josephin Andriantafika, filohan’ny Conseil de la Diaspora Malgache, dia manazava ny vina entin’ny CODIAM ho an’i Madagasikara. Tsy tokony hijanona amin’ny resaka zo hifidy ihany ny fifandraisana eo amin’i Madagasikara sy ny diaspora. Raha azo rahampitso izany zo izany, inona no dingana manaraka? Politika
Safa - Zon’ny Malagasy monina any ivelany hifidy : ahoana ny toerana politika ? - Josephin Andriantafika - 3/4
Safa - Zon’ny Malagasy monina any ivelany hifidy : ahoana ny toerana politika ? - Josephin Andriantafika - 3/4 sept. 9, 2026 10:25 Amin’ity fizarana fahatelo amin’ny andiany SAFA natokana ho an’ny CODIAM ity, i Josephin Andriantafika, filohan’ny Conseil de la Diaspora Malgache, dia miresaka momba ny zo hifidy sy ny toerana politika tokony homena ny Malagasy monina any ivelany. Nahoana no lasa laharam-pahamehana ho an’ny CODIAM ny fahafahan’ny diaspora mandray anjara amin’ny fifidianana? Iza avy ireo olom-pirenena tokony ho v
Safa - Ny anjara birikin’ny diaspora amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara - Josephin Andriantafika - 2/4
Safa - Ny anjara birikin’ny diaspora amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara - Josephin Andriantafika - 2/4 sept. 8, 2026 8:36 Amin’ity fizarana faharoa amin’ny andiany SAFA natokana ho an’ny CODIAM ity, i Josephin Andriantafika, filohan’ny Conseil de la Diaspora Malgache, dia miresaka momba ny tena anjara birikin’ny diaspora malagasy amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Tsy voafetra amin’ny vola alefa any an-tanindrazana ihany ny fahafahan’ny diaspora mandray anjara. Manana fahaiza-manao, traikefa, tambajotra matih
Safa - Ny diaspora malagasy sy ny nahaterahan’ny CODIAM - Joséphin Andriantafika - 1/4
Safa - Ny diaspora malagasy sy ny nahaterahan’ny CODIAM - Joséphin Andriantafika - 1/4 sept. 7, 2026 8:09 Amin’ity fizarana voalohany amin’ny andiany SAFA natokana ho an’ny CODIAM ity, i Joséphin Andriantafika, filohan’ny Conseil de la Diaspora Malgache, dia manazava ny zava-misy iainan’ny diaspora malagasy ankehitriny sy ireo antony nanosika ny fananganana ny CODIAM. Iza avy no mandrafitra ny Malagasy am-pielezana? Inona ireo olana sy filàna hita? Inona no tanjon’ny CODIAM, ary toerana manao ahoana
Akon’i Gasikara – Didier Ratsiraka : Fampihavanam-pirenena sy fanorenana ny ho avy
Akon’i Gasikara – Didier Ratsiraka : Fampihavanam-pirenena sy fanorenana ny ho avy avr. 26, 2026 3:04 Ao anatin’ity raki-peo ity, Didier Ratsiraka, Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara teo aloha, dia mizara fomba fijery lalina momba ny hoavin’ny firenena. Miverina mijery ny zava-bita nandritra ny fitondrany izy, indrindra ireo tetikasa fototra izay nametraka ny lalana ho an’ny fampandrosoana an’i Madagasikara, taorian’ny vanim-potoana post-colonialy, taorian’ny fitondran’i Philibert Tsiranana. Nam
Akon'i Gasikara - Sefo Fokontany : tokony hofidiana sa hotendrena ? Hevitry ny Depiote Antoine Rajerison
Akon'i Gasikara - Sefo Fokontany : tokony hofidiana sa hotendrena ? Hevitry ny Depiote Antoine Rajerison avr. 7, 2026 1:36 Ao anatin’ny adihevitra momba ny fanavaozana eto Madagasikara, miverina indray ny resaka momba ny toeran’ny Sefo Fokontany. Amin’ity fizarana ity, Antoine Rajerison, depiote an'i Madagasikara, dia mampitandrina ny amin’ny mety hiverenan’ny hadisoana taloha raha toa ka haverina ny fanendrena Sefo Fokontany avy eny ambony. Ny Sefo Fokontany dia fototry ny demokrasia eny ifotony eto Madagasikara, sat
Mba fantatrao ve ? – Fanehoankevitra momba ny famerenana ny Fokontany ao anaty vondrombahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana
Mba fantatrao ve ? – Fanehoankevitra momba ny famerenana ny Fokontany ao anaty vondrombahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana avr. 7, 2026 6:00 Ao anatin’ny adihevitra momba ny fanavaozana eto Madagasikara, mipetraka indray ny fanontaniana lehibe : inona no rafitra politika tena mifanaraka amin’ny maha-izy antsika? Amin’ity fandaharana “Mba fantatrao ve” ity, dia resahina ny maha-zava-dehibe ny Fokontany ho fototry ny fandaminana ara-pitantanana sy ara-politika. Tsy vitan’ny hoe rafitra akaiky ny vahoaka izy, fa efa anisan’ny kolontsaina
Akon'i Gasikara - Michaël Randrianirina : Antso ho an’ny tanora – Fahatsiarovana 29 Martsa 1947
Akon'i Gasikara - Michaël Randrianirina : Antso ho an’ny tanora – Fahatsiarovana 29 Martsa 1947 mars 29, 2026 3:17 Tamin’ny fankalazana ny 29 Martsa 1947 tao Moramanga, Michaël Randrianirina, filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, dia nandefa hafatra mahery vaika ho an’ny tanora malagasy. Miantso ny tanora izy handray andraikitra amin’ny fananganana ny hoavin’ny firenena, ary tsy hanaiky ho voafitaka na ho voazarazara ara-politika, na voasariky ny be resaka efa misotro ronono. Ao anatin’ny laha
Akon'i Gasikara - Tanora malagasy sy politika : antso sy hafatra avy amin’i Hajo Andrianainarivelo
Akon'i Gasikara - Tanora malagasy sy politika : antso sy hafatra avy amin’i Hajo Andrianainarivelo mars 21, 2026 1:01 Amin’ityfandaharana ity, Soa i Madagasikara dia mitondra ampahan’ny kabarin’i Hajo Andrianainarivelo, izay miresaka mivantana amin’ny tanora malagasy. Hafatra mazava no apetrany : ny tanora no ho avin’i Madagasikara, mila miomana sy miofana izy ireo handray andraikitra, ary tsy tokony ho voafitaky ny fizarazarana, na ara-pivavahana, na ara-poko, na ara-politika Tsiahiviny ihany koa ny hetsika nata
Akon'i Gasikara - Hetsika fambolen-kazo sy politika – inona marina no tanjon’ny Malagasy Miara Miainga ?
Akon'i Gasikara - Hetsika fambolen-kazo sy politika – inona marina no tanjon’ny Malagasy Miara Miainga ? mars 21, 2026 1:21 Amin’ity fandaharana ity, Soa i Madagasikara dia mijery akaiky ny hetsika fambolen-kazo nataon’ny antoko Malagasy Miara Miainga (MMM), notarihin’i Andriamatoa Hajo Andrianainarivelo, >Filoha nasionaly ny Antoko. Fa ankoatra ny lafiny tontolo iainana, misy hafatra politika nozarainy tamin'nizany : ny tena zava-nitranga, ny hafatra sy kabary natao ny tanjona mety ho kendrena, ary ny toerana misy ny
Mba Fantatrao ve ? - Fanehoankevitra momba ny toerana tokony homena ny Fokonolona sy fitsapankevi-bahoaka
Mba Fantatrao ve ? - Fanehoankevitra momba ny toerana tokony homena ny Fokonolona sy fitsapankevi-bahoaka févr. 21, 2026 5:12 Inona marina no anjara toeran’ny Fokonolona amin’ny fitantanana ny firenena? Ary tokony homena lanja bebe kokoa ve ny fitsapankevi-bahoaka amin’ny fanapahan-kevitra lehibe? Ao anatin’ity fizarana “Mba Fantatrao ve ?” ity, mandinika lalina ny toerana tokony hisy ny vahoaka amin’ny rafitra demokratika eto Madagasikara isika. Resahina ny andraikitry ny Fokonolona, izay fototry ny fiarahamonina malag
Akon'i Gasikara - Fitsidihana Ofisialy any Rosia : Fanavaozana sy Fiandohana Vaovao
Akon'i Gasikara - Fitsidihana Ofisialy any Rosia : Fanavaozana sy Fiandohana Vaovao févr. 19, 2026 1:27 Nanao fitsidihana ofisialy tany Rosia ny Filohan’ny Repoblika Michaël Randrianirina, tao anatin’ny fanamafisana sy fanavaozana ny fifandraisana diplomaty efa naharitra 55 taona teo amin’i Madagasikara sy Rosia. Tamin’ny lahateniny voalohany dia nanambara izy fa fotoana hanombohana fiandohana vaovao izao. Tsy fanohizana fotsiny ny fifandraisana taloha, fa fanamafisana fiaraha-miasa mifototra amin’

Recommandé