
AriraVavy
AriraVavy is a Malagasy podcast that provides a platform for discussing women's lives, motherhood, culture, and identity. Each woman has a story worth sharing, and each mother carries a legacy. Hosted by Rasoa, the show invites listeners to join a journey of discovery, connection, and empowerment.
Épisodes

S 4 Ep # 1: Fampiroboroboana ny teny Malagasy sy kolontsaina mankany amin’ny fivoarana. / Promouvoir la langue et la culture malagasy pour le développement.
MG : Amin'ity fizarana ity dia mandray an’i Voniary isika. Topazantsika maso ny niandohany tamin'ny taona 2016, izay nanosika azy hanaitra ny hambom-pon'ny Malagasy sy hanefy ilay antsoina hoe "toe-tsaina mpandresy" mba hireharehana amin'ny tany, ny teny ary ny tantara. Miresaka momba ireo hetsika nataony eo amin'ny fampiroboroboana ny teny Malagasy ihany koa isika, t

S 3 Ep # 8: Fahaiza-mamorona, Fahasalamana ara-tsaina ary ny maha-vehivavy ankehitriny./ Créativité, Santé mentale et l'Art de se réinventer.
MG: Ao anatin'ity fizarana vaovao amin'ny saison Entre-nous ity, dia hiaraka hahafantatra bebe kokoa an'ilay andriambavilanitra ao ambadik'ireo anarana hoe Loilufy sy Minimialista isika.Maro ny resaka novelabelarina ary anisan'izany :Ny maha-izy ny tena : Niresaka malalaka momba ny fahatsapany ho "neurodivergente" izy, ireo dona (trauma), ary ny fomba niatrehany ny fa

S 3: Ep # 7 : Dans 20 ans, ton enfant viendra-t-il te voir par amour ou par obligation ? /Afaka 20 taona, ho avy hamangy anao noho ny fitiavana ve ny zanakao, sa noho ny adidy?
FR : Et si le problème n'était pas que tu n'aimes pas assez ton enfant mais que la connexion s'est effritée sans que tu t'en rendes compte ?Dans cet épisode, je reçois Agnès, fondatrice de Maman Imparfaite, une communauté malgache dédiée à une parentalité plus consciente. Mère solo depuis la naissance de sa fille, elle a longtemps vécu dans la honte avant de choisir de se montrer.

S3 Ep # 6 : Valisoa :She Became Who She Was Meant to Be Through Her Children
MG : Nanoratra ny bokiny voalohany izy satria nihevitra fa efa ho faty, ary lasa boky baoritra (board book) voalohany indrindra navoaka teto Madagasikara izany.Amin'ity fizarana ity, miresaka amin'i Valisoa aho, mpanoratra boky ho an'ny ankizy, reny manan-janaka roa, ary ilay vehivavy mangina manangana nofinofy hanokatra trano famakiam-boky sy fivarotam-boky eto Madagasikara. Miresaka momba ilay b

S 3 Ep# 5 : Storytime C-section awareness : Ny tantaran'ny fiterahako / L'histoire de ma césarienne
MG: Inona marina no dikan'ny hoe miteraka? Ny fanosehana ve? Ny fanaintainana ve? Ilay fotoana andrenesanao iny tomany voalohany iny ve? Ahoana raha tsy nahatsiaro tena mihitsy ianao nandritra izany rehetra izany?Amin'ity fandaharana manokana ity dia zaraiko ny tantaran'ny fandidiana ahy (césarienne) tampoka, fiterahana izay tsy hitako, tsy reko, ary tsy tsapako. Nomena fanafody fampatoriana tante

S 3 Ep # 4: Ny Fijalian'ny olombelona / Remettre en question la "sainte souffrance" avec Pasteur Hubert Rakotoarivony
MG: Azo heverina ho fahamasinana ve ny fijanonana anaty fiarahana na fanambadiana feno herisetra sy mandratra raha toa inoanao ho fa fanomezana avy amin'Andriamanitra ilay olon-tianao, ary miampy ny fanantenana fa mbola hiova izy any aoriana any? Efa an-taonany maro no nibahana tao an-tsaiko io fanontaniana io. Amin'ity fotoana ity dia miverina miresaka amin'ny Pasitera Hubert aho handinihana ny f

Saison 3 : Episode #3 : Fijoroana amin'ny safidy: Ny fitiavana sy ny maha-izy ny tena arak’izay tadiavinao/ Assumer ses choix : Naviguer l'identité et l'amour selon ses propres termes
MG: Manao ahoana ny endriky ny fiainana feno rehefa tsy manaraka ilay lalana efa mahazatra ny maro? Amin'ity fizarana ity, dia manohitra ireo fitsipika sy lalana efa voasoratra mialoha ho an'ny vehivavy isika ary mandinika ny hakanton'ny fijoroana feno amin'ny safidy manokana. Miditra lalina amin'ny zava-misy iainan'ny mpivady tsy manan-janaka isika, miatrika ireo hevitra s

Saison 3 : Episode # 2 : Toekaren'ny fanaintainana sy tontolon'ny famoronana / De l'économie de la douleur à la créativité
MG: Amin'ity fizarana ity, dia hiresaka manokana momba ny fifanadraisan'ny toekaren'ny fahasalamana (économie de la santé), sy ny politikam-panjakana, ary ny tena iainan'ny marary any Madagasikara, amin'ny alalan'ny fitantanana ny fanaintainana mitaiza (douleur chronique) sy ny fampiasana rongony ho fitsaboana (cannabis thérapeutique). Ny vahinintsika, izay mpikaroka ara-to

Saison 3: Episode # 1 : Fahasalamana ara-tsaina : ny tena zava-misy iainan'ny reny malagasy / Santé mentale : la réalité des mères malagasy.
MG : Amin'ity fizarana vaovao amin'ny saison "Entre-nous" ity dia hiresaka lalina momba ny fahasalamana ara-tsain'ny reny any Madagasikara isika miaraka amin'i Dr. Kanto Rabemananjara. Na dia eo aza ilay fehezanteny fandre matetika hoe "tokony ho faly ianao satria fahasoavana ny zanaka," dia mbola maro ireo reny no miaritra irery ao anaty fahanginana noho ny hen

Saison 2: Episode 17 : Fehiny : Fiverenana amin'ny tena /
MG : Amin'ity fizarana farany ity, dia hiala amin'ireo teny filamatra manome hery sy ireo vahaolana vonjimaika isika, mba handinika ny tena dikan'ny hoe miverina amin'ny vatanao, tsy ho toy ny tetikasa mila havorariana, fa ho toy ny fifandraisana tokony haorina indray.Hiresaka momba ny fampiasana ny fahalianana isika fa tsy ny fanitsiana hatrany. Momba ny famelanao ny tenanao hande

Episode Spécial IWD :Nahoana isika no mbola voagejan’ny "fotsy fisainana"? /NOIR ET FIER : Pourquoi a-t-on encore le « cerveau blanchi » ?
MG: "Fa maninona no vao fotsy vao lazaina fa 'madio' na 'voadio'?"Amin'ity fizarana ity, hiditra lalina amin'ny lohahevitra somary mampangirifiry isika: Ny fomba ampitiavan'ny rafitra antsika ny "fotsy" sy ampanetrena antsika ny "mainty". Tsy resaka menaka fotsiny ity, fa resaka fanjanahan-tsaina mbola mamatotra ny Malagasy maro mandraka an

Saison 2 Episode 16 :Ny Maha-Reny sy ny Firaisana: "Manao ahoana ny filanao ara-nofo aorian'ny fiterahana? /Maternité & Sexualité : Que devient le désir après l'arrivée des enfants ?
MG : Inona no mitranga amin'ny faniriana/ filana rehefa lasa reny ianao? Ny tena marina dia matetika izy io manjavona, ary tsy misy mampitandrina anao mialoha.Ity fandaharana ity dia miresaka momba ny fahanginana momba ny firaisana ara-nofo aorian'ny fiterahana, mamakafaka ny zava-drehetra manomboka amin'ny ratra ara-batana sy ara-tsaina vokatry ny fiterahana, ny fiovan'ny hormonin

Saison 2: Episode # 15Ny Fahafinaretana sy ny Elanelana eo amin'ny Fahatongavana /Le Plaisir et le Fossé Orgasmique
MG : Amin'ity fandaharana ity dia hiresaka momba ny lohahevitra iray lehibe kanefa matetika tsy resahina isika: maninona no vitsy kokoa ny vehivavy tonga (orgasme) mandritra ny firaisana raha ampitahaina amin'ny lehilahy?Hofakafakaintsika io elanelana io mba hanazavana fa tsy ny vatanao no misy olana, fa ny kolontsaina sy ny fomba nampianarana antsika.Hojerentsika ny fomba fifantohana fots

Saison 2 : Episode # 14 : Sarintsarina fahafinaretana entina hanomezana toky ny olon-tiantsika / Simuler le plaisir pour rassurer nos partenaires
MG : Maro amintsika ny mbola tsy noterena hanao firaisana, nefa betsaka ihany koa no nanao firaisana nefa tsy tena naniry izany tao am-po. Amin'ity fizarana ity, dia hiresaka amim-pahasahiana momba ilay "firaisana atao noho ny adidy" isika, izay matetika mitranga mba hisian'ny filaminana ao an-tokantrano. Hodinihintsika ny maha-samihafa be ny hoe "manaiky fotsiny" sy ny hoe tena "maniry sy mangeta

Saison 2 : Episode # 13 : Ny fahanginana manodidina ny firaisana ara-nofo sy ny fananahana / Le silence autour du sexe
MG : Ity fizarana ity no fototry ny andiany iray manontolo mikasika ny fananahana sy ny firaisana ara-nofo, satria dia horesahina eto ny zavatra tsy resahina mihitsy: ny firaisana ara-nofo ao anatin'ny fiaraha-monina Malagasy, indrindra ho antsika vehivavy. Maro ny hafatra tsy voateny tenenina fa voarain'ny zazavavy rehefa lehibe avy amin'ny fiaraha-monina mikasika ny faniriana (desir)

Saison 2 : Episode # 12 : Inona marina ilay tena vadinao rehefa manambady ianao ?Qui est réellement la personne que vous épousez ?
MG : Aleon'ny olona manontany hoe: "Rahoviana ny mariazy?" toy izay manontany hoe: "Efa hitanao ve ny efitranon'izy io rehefa tsy ampoiziny hoe hisy olona ho avy hitsidika izy?"Horesahintsika eto ireo zavatra 5 tokony horesahan'ny mpifamofo nefa dinganina matetika alohan'ny fanambadiana, ary ny fomba fandalinana azy ireo tsirairay. Manomboka amin'ny fomba fi

Saison 2: Episode # 11 :Za’ tsy mpiasanao, ny resaka silipo sy ny tokantrano malagasy
Hitanao ve ilay lisitra nalaza be nataon'i Preta Suarez iny? Ilay izy mitaky lehilahy mikarama 20 Tapitrisa Ariary, mody ara-potoana foana, sy ilay hoe tsy manasa ny silipony izy?Maro tamin'ny teo amin’ny tambazotra no nilaza fa manonofy atoandro izy. Fa amin'ity épisode ity, handalina fijery hafa kokoa isika. Tsy hanakiana fotsiny ilay lisitra isika, fa hamakafaka ny tena dikan'ir

Pasteur Hubert Rakotoarivony : Ahoana ny hampitana ny soatoavinao amin’ny taranaka sy miaina amim-pahamarinana?
Amin'ity fizarana ity, nifampiresaka lalina tamin'i Pasteur Rakotoarivony aho momba ireo singa fototra ilaina amin'ny fiainana mba hampisy dikany ny fiainana. Nodinihinay ifotony ny antony mahatonga ny olona maro hahatsapa ho "very" na dia avara-pianarana sy tsara taiza aza, ary nametraka ity fanontaniana lehibe ity izahay: Nahoana ny fanabeazana no tsy mahavita mampianatra a

Saison 2 : Episode # 10 : Mivoady ny ho tia tena
Amin'ity fizarana voalohany amin'ity taona vaovao ity dia hiresaka lohahevitra somary lalina isika: ny fitiavan-tena, izay miainga avy amin'ny bokin'i Kamal Ravikant sy ny tantarako manokana.Mizara ny ady noentiko hatramin'ny fahazazako aho: tena nankahala ny vatako satria nolazain'ny reniko fa "matavy" aho, be molotra, ary boribory tava "ohatry ny volana&quo

Saison 2: Episode # 9: Fomba hafakely hiatrehana ny taona vaovao.
Raha ianao ilay zatra mpanao resolution alohan'ny faran'ny taona, dia andramo indray ity fomba hafa ity ho an'ny tenanao. Henoy eto ary ny andinindininy. Mihainoa finaritra o !

Saison 2 : Episode # 8: Ireo tombotsoa rehefa reny miasa VS ireo tombotsoa rehefa reny mikarakara tokantrano
Ao anatin'ity episode ity dia mampitaha ireo tombotsoa manokana iainanan'ny reny miasa aho sy ny tombotsoa an'ireo reny misafidy ny hikarakara tokantrano. Samy manana ny hanitry ho azy izy ireo ary hitako hoe tsy dia tena azo ampitahaina loatra. Henoy eto aty ny andinindininy. Mihainoa finaritra ary o!

Saison 2 : Episode # 7 : Inona no miandry anao rehefa sady miasa no manan-janaka ?
Ny tatitra "Vehivavy eo amin'ny toeram-piasana 2025" (The 2025 Women in the Workplace report) dia milaza fa ny vehivavy dia "tsy ampy finiavana " . Nefa ny angon-kevitra nangoniny dia mitantara zavatra hafa tanteraka. Ity fizarana ity dia miresaka momba ireo zavatra tsy lazaina ampahibemaso mikasika ny iainan'ny vehivavy ao anaty toeram-piasana , indrindra rehefa manan-

Mandray Vahiny : Hillary Roch :Reny : Ahoana no hitaizana tsy ampanerena sy ao anaty fahatokisan-tena
Mandray vahiny : Hiresadresaka miaraka amin’i Hillary Rakotoniana isika amin’ity episode androany ity mikasika ny lohahevitra maro manodidina ny maha reny. Mizara amintsika izy mikasika ny fisafidianana ny hitaiza sy hanabe ny zanany amin’ny fomba izay hitany fa mety aminy sy ny zanany fa tsy amin’ny fomba efa fanao hatrizay sy fanaon’ny daholobe. Miresaka ihany koa izy mikasika ny fanomanana hata

Saison 2 : Episode # 6 : Fanontaniana sarotra tokony hapetrakao amin'ny tenanao alohany hirosoana amin'ny fanambadiana
Hiroso amin'ny fanambadiana ? Ireto ary misy fanontaniana tena sarotra mila anontanianao ny tenanao alohan'ny hirosoanao amin'ity fanapahan-kevitra iray lehibe ity. Mihainoa finaritra o !

Saison 2 : Episode # 5 :“Dia nataoko ary izay tian’ny olona na tsy sitrapoko aza…”
Ity episode ity dia aingam-panahy avy amin'ny hiran'i Bolo, izay miresaka ny ady anaty sedrain'ny tanora Malagasy maro: ny fanerena ara-tsosialy sy ara-bola hisafidy ny ho "Lakana" (fahombiazana manjelanjelatra, fandehanana any ivelany,...) na dia mifanohitra amin'ny hetahetan'ny fo aza. Asongadiko eto fa ny fisafidianana ny maha "Ravitoto" izany hoe ny mija

Saison 2 : Episode # 4 : Tokony hianatra ve raha tsy te-hiasa fa hikarakara tokantrano ?
Tena fandaniam-poana tokoa ve ny fianarana raha mifidy ny ho mpikarakara tokantrano ny vehivavy ? Na dia eo aza ny fatiantoka ara-bola sy ny fandaniana fotoa dia tsy fandaniana velively ny fianarana. Ny fahaizana azo tamin’ny fianarana dia ampiasaina isan’andro amin’ny fitantanana ny tokantrano, fandrindrana, sy fanampiana ny ankizy. Ny tanjona dia ny handà io fiheverana manery ny vehivavy hifidy

Saison 2 : Episode #3 :Ny olona rehetra dia afaka manao firaisaina , sy miteraka fa, tsy ny rehetra no afaka ho hikolokolo sy hitaiza ny zanaka naterany ….
Ity episode ity dia fandinihan-tena manokana lalina sy tena marina momba ny ady , ny fisalasalana , ary ny antony tsy tsapan'ny saina tafiditra ao anatin'ny maha-reny sy ny fitaizana, indrindra fa ao anatin'ny zavatra andrasan'ny kolontsaina Malagasy. Mihainoa finaritra ary o!

Saison 2 Episode #2 : Misy fanantenana ny fanasitranana sy ny fitiavana ….
Ity fizarana faharoa ity dia miditra lalina amin’ny asa mafy takiana rehefa tsy nanana fototra fitiavana marina ny olona iray nanomboka tamin’ny fahazazana . Tena ilaina ianarana ve ny mitia sa mandeha ho azy izany ? Ny valiny dia hoe safidy izany. Ny lalana mankany amin’ny fanasitranana dia asa mafy sy dingana miandalana, izay mitaky ny fianarana an-tsitrapo ny fatorana azo antoka , ny fanekena

Saison 2 : Episode # 1 : "Tena Tiana: Hita sy Fantatra, nefa Nofidiana Foana
Aona marina moa izany hoe tena tiana izany?, azo atao ve ny mampitaha azy amin'ny fitiavana zanaka izay tsy misy fepetra. Ny tena fitiavana dia midika hoe "hita" ilay tena maha anao anao—ilay ianao manana fahalemena, mikorontana, ary manana toetra mifanipaka, fa tsy ilay ianao miezaka mihatsara ivelany. Mahatsapa ho tiana ianao rehefa misy olona manaiky ny lesoka rehetra ao aminao ar

Saison 2 : "Humaine" - Intro
Introduction AriraVavy Saison 2 "Humaine"

Episode #19 : Aona no hatao hitiavana ireny vehivavy mahaleo-tena be loatra ireny ?
Ny fitiavana vehivavy tena mahaleo tena dia tsy moramora — matanjaka izy, mahavita tena, ary matetika misalasala miankin-doha amin'olona. Fa ao ambadiky ny fahaleovan-tenany dia misy tantara, ary ny fianarana mitia azy dia mitaky faharetana, fanajana, ary fikarakarana amim-pahatsorana. Ao anatin'ity fizarana vaovao ity, dia hodinihintsika ny tena dikan'ny hoe manohana nefa tsy mifehy,

Episode # 18 :Ny kolontsainan'ny fahanginana momba ny fadimbolana
Nahoana ny fadimbolana, izay tranga voajanahary sy iainan'ny vehivavy eran-tany, no mbola feno fahanginana, henatra ary fanilikilihana hatramin'izao?Amin'ity fizarana ity dia horesahana ny fomba fijery momba ny fadimbolana nanomboka tamin'ny vanim-potoana taloha ela be ka hatramin'ny ankehitriny. Hanehoantsika ny fomba nananganana ny fomba fijery sy ny fihetsika ataontsika, iza

Episode # 17 : Firy taona no tokony hanambady ?
Misy tokoa ve izany hoe taona tokony hanambadiana izany? Amin'ity episode ity, dia hifantoka amin'ny lafiny siansa sy ny zava-misy ary ny tantara isika, momba ny iray amin'ireo fanapahan-kevitra goavana indrindra eo amin'ny fiainana dia ny fanambadiana. Hojerena ao anatin'izany ny fanadihadiana momba ny fotoana tsara indrindra tokony hanambadiana, ny fivoaran'ny saina, ny f

Episode # 16 : Fizarana faharoa - Ankoatry ny vola : inona no hamaritana ny fahombiazan'ny zanantsika ?
Misaotra anareo niverina teto amin'ny lohahevitra mikasika ny fomba entina andrefesana ny fahombiazan’ny zanantsika ankoatry ny vola, izay andinihantsika ny tena dikan'ny hoe mahomby amin'ny fiainana ny zanatsika. Tamin'ny farany, dia niresaka momba ny hoe tsy ampy ho famantarana ny fahombiazana fotsiny ny vola ary nahoana no ilaina ny mitaiza zanaka izay miroborobo amin'ny fom

Episode # 15 : Izaho ve "feministe" ?
Amin'ity fizarana manokana ity dia horesahantsika ny antony mahatonga ny vehivavy maro—na dia ireo mino ny fitovian-jon'ny lahy sy ny vavy aza—no misalasala ny miantso ny tenany ho feministe. Hiresaka ny antony mahatonga izay fisalasalana manodidina ny feminisma izay isika, manomboka amin'ny tahotra ny ho very ny maha-vehivavy ka hatramin'ny harerahana amin'ny fanaovana "i

S1 : Ep #14 : Ankoatry ny vola : inona no hamaritana ny fahombiazan'ny zanantsika ?/Au-delà de l'argent : qu'est-ce qui définit la réussite de nos enfants ?
MG: Amin'ity fizarana voalohany amin'ny lohahevitra vaovao mitondra ny lohateny hoe : “Ankoatry ny vola, inona no hamaritana ny fahombiazan’ny zanantsika?” ity dia horesahana ny famaritan'ny fiarahamonina ny fahombiazana, izay matetika mifototra amin'ny harena ara-materialy sy ny asa. Nahoana isika no tokony hijery ankoatr'ireo lafin-javatra ireo rehefa mamaritra raha tena &quo

Episode # 13 : Part 3: Fehiny - Vola, fitiavana, ary fahefana
(Fizarana farany) Ao amin’ity episode vaovao eto amin’ny Ariravavy ity dia hamarana ny lohahevitre "Vola, Vehivavy ary Fahefana" isika ka hiresaka momba ny fomba ahafahantsika manome fitaovana ho an’ny taranaka mandimby indrindra ny zanatsika vavy mba hananganana harena — tsy harena ara-bola fotsiny, fa harena amin’ny safidy, amin’ny fahefana.Resahina eto ny antony mahatonga ny vehivavy

Episode # 13 : Part 2: Fehiny - Vola, fitiavana, ary fahefana
(Tohiny) Ao amin’ity episode vaovao eto amin’ny Ariravavy ity dia hamarana ny lohahevitre "Vola, Vehivavy ary Fahefana" isika ka hiresaka momba ny fomba ahafahantsika manome fitaovana ho an’ny taranaka mandimby indrindra ny zanatsika vavy mba hananganana harena — tsy harena ara-bola fotsiny, fa harena amin’ny safidy, amin’ny fahefana.Resahina eto ny antony mahatonga ny vehivavy mbola vi

Episode # 13 : Part 1: Fehiny - Vola, fitiavana, ary fahefana
Ao amin’ity episode vaovao eto amin’ny Ariravavy ity dia hamarana ny lohahevitre "Vola, Vehivavy ary Fahefana" isika ka hiresaka momba ny fomba ahafahantsika manome fitaovana ho an’ny taranaka mandimby indrindra ny zanatsika vavy mba hananganana harena — tsy harena ara-bola fotsiny, fa harena amin’ny safidy, amin’ny fahefana.Resahina eto ny antony mahatonga ny vehivavy mbola vitsy no ma

Episode # 12 : Ndao hifampizara ny manta sy ny masaka
Amin'ity episode fa 12 ity dia hiresaka zavatra maro aho toy : - Ny fanambadian'ilay olona anisan'ny manankarena indrindra eto an-tany - Ny faha 65 ny nazahoan'ny Madagasikara ny fahaleovantena - Ny fitaizana sy ny fialan-tsasatra - sns.... Fizarana ny andavan'androm-piainako no tena resahako amin'ity episode ity ka mazotoa mihaino ary o!

S1 : Episode # 11 :Ny fifandraisan’ny vola sy ny fitiavana./ La relation entre l'argent et l'amour
MG: Efa nanontany tena ve ianao hoe tena tia ahy tokoa ve ny olon-tiako na ny vadiko sa miaraka amiko fotsiny noho ny fananako enti-manana na vola ? Na koa mifamadika amin’izay? Amin’ity fizarana mbola ao anatin’ny lohahehitra mikasika ny “Vehivavy, Vola, sy Fahefana” ity dia hiresaka indray isika mikasika ny fifandraisan’ny vola sy ny fiarahana na ny fitiavana. Afaka miaraka ve ny “tena fitiavana

Episode # 10 (Part 2) :Fitiavana sy Vola : Fa maninona no mbola ilaina ny fahaleovan-tena ara-bola rehefa mizara vola amin’ny olon-tiana?
Ao anatin’ity episode ity dia handinika lalindalina kokoa isika momba ny dikan’ny fahafahana na "agency" ho an’ny vehivavy:Inona no dikan’izany rehefa mitambatra amin’ny fitiavana sy vola ?Raha milaza isika hoe: “izay ananako, ananantsika” na ko hoe " ny volako dia volanao ihany"…— mbola ilaina ve ny fahaleovan-tena ara-bola?Mbola afaka misafidy ve ianao, raha tsy mitantana ny

Episode # 10 ( Part 1) :Fitiavana sy Vola : Fa maninona no mbola ilaina ny fahaleovan-tena ara-bola rehefa mizara vola amin’ny olon-tiana?
Ao anatin’ity episode ity dia handinika lalindalina kokoa isika momba ny dikan’ny fahafahana na "agency" ho an’ny vehivavy:Inona no dikan’izany rehefa mitambatra amin’ny fitiavana sy vola ?Raha milaza isika hoe: “izay ananako, ananantsika” na ko hoe " ny volako dia volanao ihany"…— mbola ilaina ve ny fahaleovan-tena ara-bola?Mbola afaka misafidy ve ianao, raha tsy mitantana ny

Episode #9 :Ny maha zava-dehibe ny fizakan-tena ara-bola ho an’ny vehivavy
Ao amin’ity fizarana faha 9 ity dia hiresaka momba ny maha zava-dehibe ny fizakan-tena ara-bola ny vehivavy isika. “Ny hery lehibe indrindra ho an’ny vehivavy iray dia ny fahaleovantena ara-bola, mba hahatonga ny fitiavana ho safidy fa tsy ho paik’ady ho amin’ny fahavelomana.”Inona no dikan’izany ho an’ny vehivavy ? Ahoana no anovàn’ny vola ny fomba ijerentsika ny fitiavana, ny fiarahana, ary ny f

Episode # 8 : Hande hiala sasatra hiaraka amin'ny ankizy : ahoana no hatao ?
Amin’ity fizarana fahavalo eto amin’ny Ariravavy ity isika dia hiresaka momba ny fitsangatsanganana miaraka amin’ny ankizy sy zazakely . Fomba hanomanana entana arakaraka ny taonan’ny zazaZavatra tena ilaina entina amin’ny fiaramanidina sy fiaraFomba hisafidianana toerana fialan-tsasatra ho an’ny fianakaviana ,.....Na somary manahirana aza ny mandeha miaraka amin’ny ankizy, dia fotoana feno fitia

Special Episode : Fetin'ny reny
Fehezam-bonikazo ho an'ireo reny rehetra !

Episode # 7 : Ny fanalan-jaza - ndao resahana -
Ao anatin’ity episode faha 7 ity dia hiresaka manokana isika ny vesatra manodidina ny fanalan-jaza, ny vohoka tsy iriana , ary ny fahabevokana ivelan’ny fanambadiana. Inona ny zava-misy mangiana hiainan’ny vehivavy Malagasy : ny fitsarana, ny fanavakavanahana, ny tsy fahampian’ny fiarovana, ny tsy fananana safidy,sns,.... Betsaka ny fanontaniana mipetraka hoe nahoana no rehefa mitranga ny fahabevo

Episide # 6 : Fikarakarana tena ho an'ny vehivavy manodidina ny 30 taona
Amin’ity episode faha 6 ity dia hiresaka indray isika momba ny fikarakana tena ho antsika 30 taona sy ny manodidina. Horesahana amin’izany ny fifandraisan’ny asa sy ny fahasalamana, eo ihany koa ny fahasalamana ara-pananahana, ny fanambadiana , ny fitiavana ary ny fiarahana, ny paika’ady hampifanarahana sy handanjalajana ny asa sy ny fiainana ary ny fijerevana izay fomba fikarakarana tena mety am

Episode # 5 : Ireo fahatsapana mangina tsy dia resahina ampahibemaso
Amin'ity herinandro ity dia hanao tora-po kely aho ao anatin’ity episode faha 5 ity.Ho antsika vehivavy izay tia ny fiainany sy feno fankasitrahana nefa mbola maniry bebe kokoa. Ho antsika indraindray izay mahatsapa ho diso noho ny faniriana bebe kokoa, na koa mahatsapa ho irery na dia voahodidin'olona aza. Tsy irery ianao. Ndao hiresaka momba ireo ady sy fahatsapana mangina tsy hitan'

Episode # 4 : Fikarakarana tena ho an'ny vehivavy mifana
Amin'ity episode faha 4 ity, hojerentsika akaiky ny fikarakarana tena ho an'ireo reny vao teraka. Hiditra amin'ny fiainana maha-reny vaovao isika, hatramin'ny famerenana ny famaritana ny fikarakarana tena mandritra ny hoe mifana, ka hatramin'ny fomba ahafahana mikolokolo ny maha-izy anao ivelan'ny maha-reny. Hiresaka ihany koa isika mikasika ny fikarakarana vatana, ary ny fandaminana sy ny fitsinj

Episode 3 - Part 2 : Fikarakarana tena ho an'ny vehivavy mitondra vohoka
Ity fizarana fahatelo tapany faharoa amin’ny AriraVavy ity dia miresaka hatrany momba ny fomba fikarakarana tena mandritra ny fitondrana vohoka. Eto dia hiresaka momba ny fanomanana ny fanambadiana , raha toa ka mikasa ny hanampy zanaka, ny fanomanana ara-tsaina momba ny fiovan’ny vatana, ny fomba handrindrana sy ny fitantanana ny toro-hevitra maro avy amin’ny havana aman-tsakaiza, ny fanomanana

Episode # 3 - Part 1 : Fikarakarana tena mandritra ny fitondrana vohoka
Ity fizarana fahatelo tapany voalohany amin’ny AriraVavy ity dia miresaka momba ny fomba fikarakarana tena mandritra ny fitondrana vohoka. Ahitana torohevitra azo ampiharina amin’ny sakafo sy ny fanatanjahan-tena ary paik’ady entina miatrika ireo fiovana amin’ny maha anao anao.Mihainoa finaritra ary o!

S 1 : Ep # 2 : Fikarakarana tena ho an’ny vehivavy 20 - 29 taona / Bien-être pour les femmes entre 20 et 29 ans
MG : Ao anatin’'ity fizarana vaovao ity dia hijery ny fomba fikarakarana tena ho antsika vehivavy 20 ka hatramin’ny 29 taona isika. Hojerena ireo paikady azo ampiharina hanomezana lanja bebe kokoa ny fiarovan-tena manoloana ny tsindry amin’ny asa, ny ahiahy ara-bola, ary ny fifandraisana amin’ny hafa. Mihainoa finaritra ary o! FR: Dans ce nouvel épisode, nous allons aborder la manière de pren

Special Episode : Nahoana no isika samy vehivavy ihany no mifanome tsiny sy mifampitsara ?/Pourquoi, entre femmes, sommes-nous les premières à nous blâmer et à nous juger mutuellement ?
MG: Amin’ity fizarana manokana ity dia hamaly ity fanontaniana ity isika hoe nahoana isika vehivavy no mandatsa, mitsara ary koa manome tsiny rehefa misy vehivavy hafa hiaran’ny herisetra ? Na dia manana kolontsain manandratra ny firaisankina sy ny fihavavana ary isika dia hafa ny zava-visy ankehitriny. Hojerentsika tsirairay ireo antony toy ny fitsipiaka napetraky ny fiaraha-monina izay nisongadi

S 1 : Ep # 1 : Ny maha zava-dehibe ny fikarakarana tena / L'importance du bien-être
MG: Amin'ity episode laharana voalohany ity dia mizara ny nahatonga ahy ho tonga saina fa ireo fotoana kely fikarakarana tena andavanandro no anisany nampiova ny fiainako. Hojerena ihany koa ireo sakana mahatonga antsika vehivavy tsy mametraka ny fikarakarana tena ho laharam-pahamehana eo amin’ny fiainana andavanandro. Ary ho faranantsika amin’ireo paikady tsotra sy mahomby entina hikarakarana ny

Ep 0 - AriraVavy
MG :Ity fandaharana voalohany ity dia mamelabelatra fohifohy ny antom-pisian'ny podcast ? Fa manina no AriraVavy ? Iza no ao ambadiky AriraVavy ? Ary inona no miandry antsika mpihaino ? Mihainoa finaritra ary o ! FR: Ce premier épisode explique brièvement la raison d'être du podcast. Pourquoi "AriraVavy" ? Qui se cache derrière "AriraVavy" ? Et qu'est-ce qui nous attend, nous les auditeurs ? Bonne

Special Episode : Andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy
MG : Episode Special natao ho an'izao fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy izao , hiresahana mikasika ny andrasan'ny fiaraha-monina amin'ny vehivavy sy ny fiantrakan'izany. FR: Épisode spécial réalisé à l'occasion de la Journée internationale des droits des femmes, pour discuter des attentes de la société envers les femmes et de leur impact.











